La première réunion du Comité National de cette année s’est tenue aujourd’hui au Mining Business Center Ivato dans un esprit dynamique et constructif, marquée notamment par la présentation des nouveaux membres, dont l’intégration a été saluée par l’ensemble des participants.

Les discussions ont ensuite porté sur les projets de texte en cours, donnant lieu à des échanges approfondies sur les ajustements nécessaires.

La question du recrutement de l’administrateur indépendant a également été abordé soulignant l’importance de ce profil pour l’élaboration du rapport EITI 2024-2025.
Par ailleurs, le plan d’action du Comité National a été examiné pour définir ainsi les priorités stratégiques.

Enfin, des sujets de réflexion issus de la Société Civile ont été présentés et des échanges ouvrant des perspectives intéressantes pour les travaux futurs du Comité.

Natao androany tao amin’ny Mining Business Center Ivato ny fivoriana voalohany amin’ity taona ity ho an’ny Komity Nasionaly, tamin’ny toe-tsaina feno fahavitrihana sy mitarika amin’ny fandrosoana. Nampiavaka izany indrindra ny fampahafantarana ireo mpikambana vaovao, izay narahabain’ireo mpandray anjara rehetra.

Nifantoka tamin’ireo volavolan-dalàna andalam-pandrafetana ny adihevitra avy eo, ka niteraka fifanakalozana lalina momba ireo fanitsiana ilaina.

Anisan’ny noresahana tao ihany koa ny raharaha momban’ny fisafidianana ho amin’ny toeran’ny mpitantan-draharaha mahaleo tena (administrateur indépendant), izay nanamafisana ny maha zava-dehibe ity andraikitra ity amin’ny fandrafetana ny tatitra EITI 2024-2025.

Ankoatra izany dia mba ahafahana mamaritra ireo laharam-pahamehana ara-stratejika dia nodinihina ny drafitr’asan’ny Komity Nasionaly.

Farany, nentina tamin’ny fivoriana ireo lohahevitra fifampidinihana avy amin’ny Firaisamonim-pirenena (Société Civile), ary nisy ny fifanakalozana nampisokatra ny fomba fijery sy ny vinavina hahasoa ho an’ny asa ho avy izay sahanin’ny Komity Nasionaly.













