Tsiroanomandidy, 22 oktobra 2026
Notanterahina tao Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava, ny 22 oktobra 2026, ny atrikasa fampahafantarana ireo didy aman-dalàna sy ny fanovana mifehy ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara.
Ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany, miaraka amin’ireo ratsamangaika, dia ny Birao misahana ny Kadasitra – BCMM, ny ivon-toerana misahana ny volamena – COM ary ny EITI Madagasikara, no niara-nanatontosa izao hetsika izao.

Tompon’andraikitra avy amin’ny Vondrom-bahoaka Itsinjaram-pahefana (CTD), Ben’ny Tanàna miisa roapolo mahery avy tao amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy sy Fenoarivobe, ireo Sampan-draharaham-panjakana Ifotony (STD), ary ireo tompon’ny fahazoan-dalana hitrandraka no tonga nanatrika ny atrik’asa.

Nandritra io fotoana io ihany koa no nitondran’i EITI Madagascar ny fampahafantarana ireo vola voaray teo anivon’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana teo anelanelan’ny taona 2024-2026.
Ny fampahafantarana mazava ny vola azo avy amin’ny harena an-kibon’ny tany dia manampy ny olom-pirenena hahafantatra izay vola tokony ho azon’ny faritra sy ny kaominina misy azy.




Ny fahalalana sy ny fanarahana ny lalàna no antoky ny fitantanana mangarahara sy maharitra ny harena an-kibon’ny tany ho tombontsoan’ny rehetra.






