📅 Ambovombe, 17 novambra 2026
📅 Ampanihy, 19 novambra 2026
Notanterahina tao Ambovombe ny 17 novambra sy tao Ampanihy ny 19 novambra ny fampahafantarana ireo didy aman-dalàna mifehy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara.










Ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ireo fitaleavana isam-paritra ary ireo rantsamangaika dia ny BCMM, ny COM ary ny EITI Madagascar, no niara-nanatontosa ny hetsika.
Miantoka ny fitantanana mangarahara sy miteraka fampandrosoana maharitra avy amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany tokoa mantsy:
- ny fahafantarana ireo fanavaozana ao anatin’ny lalàna sy ny fitsipika manan-kery ;
- ny dingana arahina amin’ny fangatahana fahazoan-dàlana hitrandraka araka ireo karazany avy sy ny zo/andraikitra ho an’ny tompona fahazoan-dàlana, ho an’ny Ben’ny tànana, ny Vondrom-bahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana ary ny Sampan-draharaham-panjakana Ifotony ;
– ny fampahafantarana antsipiriany ny fitsinjarana ny tamberim-bidy ho an’ny kaomina voakasikin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ; - ny fifampiresahana sy ny fifampidinihan’ireo manampahefana any ifotony sy ireo mpandrahara ary ireo mpitrandraka.




















