Fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpanao gazety amin’ny fanadihadiana eo amin’ny sehatry ny harena ankibon’ny tany eto Madagasikara – Renforcer le journalisme d’investigation pour une meilleure gouvernance du secteur extractif à Madagascar

MG Nikarakara atrikasa fampiofanana momba ny teknika ampiharina amin’ny fanadihadiana eo amin’ny sehatry ny harena ankibon’ny tany eto Madagasikara ny Organisation de la société civile sur les industries extractives ny 𝟎𝟐 𝐉𝐨𝐥𝐚𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟔 lasa teo. Atrikasa izay niarahana tamin’ny 𝐎𝐫𝐝𝐫𝐞 𝐝𝐞𝐬 𝐉𝐨𝐮𝐫𝐧𝐚𝐥𝐢𝐬𝐭𝐞𝐬 𝐝𝐞 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐜𝐚𝐫 (𝐎𝐉𝐌) izay tohanan’ny 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐢𝐧𝐠𝐚+ ary nahitana mpanao gazety avy amin’ny faritra Analamanga, Atsinanana, Analanjirofo.

Coordonnateur National de l’OSCIE – Directeur Exécutif de l’ITIE Madagascar – Ordre des Journalistes Malagasy

Nifantoka indrindra tamin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpanao gazety momba ny fampiasana ireo tatitra EITI ary ireo loharanom-baovao samihafa azo sitrahana ato amin’ny tranonkala ny fampiofanana.

Tanjona amin’izany ny hampiroboroboana ny asa fanaovan-gazety matihanina sy tompon’andraikitra, ary hanamora ny fahazoan’ny olom-pirenena vaovao marina sy azo itokisana momba ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany.

FR Le 02 juillet 2026, l’OSCIE et l’ITIE, en partenariat avec l’Ordre des Journalistes de Madagascar (OJM) et avec l’appui de Fanainga+, ont réuni à Antananarivo des journalistes venus des régions d’Analamanga, d’Atsinanana et d’Analanjirofo dans le cadre d’une formation dédiée aux techniques d’investigation appliquées au secteur extractif.


La formation a principalement porté sur les enjeux du secteur extractif, les techniques d’investigation journalistique, la vérification des informations et l’utilisation des données ouvertes (rapport EITI).


Cette formation a pour but de promouvoir un journalisme d’investigation de qualité, de renforcer le professionnalisme des médias et d’améliorer l’accès du public à une information fiable et pertinente sur le secteur extractif.