MG Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra, nandritra ny fivoriana ny 6 oktobra 2026, ny Drafitr’asa hanatanterahana ireo tolo-kevitra voarakitra ao amin’ny tatitra momba ny fanampiana ara-teknika nataon’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI), mikasika ny fanombanana ny fitantanana sy ireo mety hisian’ny kolikoly. Voarakitra ao amin’ny Taratasy fanapahan-kevitry ny Filankevitra laharana faha-424/2026-PM/SGG/SC tamin’ny 13 oktobra 2026 izany fankatoavana izany.
Mamaritra fepetra mazava sy azo refesina, miaraka amin’ny fe-potoana hanatanterahana azy, ity drafitr’asa ity. Sehatra valo no voakasik’izany, dia ny ady amin’ny kolikoly, ny fanjakana tan-dalàna, ny ady amin’ny famotsiam-bola, ny fanamafisana ny fanangonan-ketra sy ny vola miditra amin’ny Fanjakana, ny fitantanana ny volam-panjakana, ny fitantanana ny Banky Foibe, ny fanaraha-maso ny sehatra ara-bola ary ny fitantanana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany.
——————————————————————————————————————–
Le Conseil des ministres du 6 octobre 2026 a validé, suivant la Note de Conseil n° 424/2026-PM/SGG/SC du 13 octobre 2026, un Plan d’actions visant à mettre en œuvre les recommandations du rapport d’assistance technique sur le diagnostic de la gouvernance et des vulnérabilités à la corruption. Ce plan définit des mesures concrètes, mesurables et assorties d’échéances dans huit domaines, notamment la lutte contre la corruption, l’État de droit, la lutte contre le blanchiment de capitaux, la mobilisation des recettes, la gestion des finances publiques, la gouvernance de la Banque centrale, la supervision du secteur financier et la gouvernance du secteur minier.
Le fichier est consultable ici





