Zoma 30 Oktobra 2026 – Mining Business Center – Mamory Ivato
Ho fanamafisana ny fangaraharana momba ireo mpisitraka tena izy (bénéficiaires effectifs) amin’ireo orinasa miasa eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, dia nikarakara fiofanana momba ny fomba fanambarana izany ao amin’ny Rejistra Foibe Mirakitra ny Mpisitraka Tena Izy (RCBE) ny EITI-Madagascar, niaraka tamin’ny Foibe Fitantanana ny Hetra (DGI), ny zoma 30 oktobra 2026.
Natao hanampiana ireo orinasa amin’ny fanambarana ny mombamomba ireo mpisitraka tena izy, sy hahafehy ny fampiasana ny sehatra RCBE ity fiofanana ity. Nisy ihany koa ny fampiharana mivantana ny fomba fisoratana anarana sy ny fandefasana ny mombamomba ireo mpisitraka tena izy amin’ny alalan’ny aterineto.

Amin’ny alalan’ity hetsika ity, dia manamafy ny ezaka ataony amin’ny fampiroboroboana ny fangaraharana, ny fanamorana ny fahazoana vaovao ary ny fisorohana ny kolikoly eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ny EITI-Madagascar.
𝐀𝐧𝐝𝐚𝐨 𝐡𝐢𝐚𝐫𝐚-𝐡𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐠𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐲, 𝐡𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐭𝐨𝐦𝐩𝐨𝐧’𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐤𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐤𝐨𝐤𝐨𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐫𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐧-𝐤𝐢𝐛𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚!

📅Vendredi 30 octobre 2026
📍Mining Business Center – Mamory Ivato
Dans le cadre du renforcement de la transparence sur la propriété effective des sociétés opérant dans le secteur extractif, l’EITI-Madagascar, en collaboration avec la Direction Générale des Impôts (DGI), a organisé, le vendredi 30 octobre 2026, une session de formation consacrée à la déclaration des bénéficiaires effectifs sur le Registre Central des Bénéficiaires Effectifs (RCBE).
Cette session avait pour objectif d’accompagner les sociétés dans la compréhension de leurs obligations déclaratives, la maîtrise de la plateforme RCBE ainsi que la réalisation pratique des différentes démarches d’enregistrement et de déclaration en ligne.
À travers cette initiative, l’EITI-Madagascar réaffirme son engagement à promouvoir la transparence de la propriété effective, à renforcer l’accès à l’information et à contribuer à la prévention de la corruption dans le secteur extractif.

𝐄𝐧𝐬𝐞𝐦𝐛𝐥𝐞, 𝐟𝐚𝐢𝐬𝐨𝐧𝐬 𝐩𝐫𝐨𝐠𝐫𝐞𝐬𝐬𝐞𝐫 𝐥𝐚 𝐭𝐫𝐚𝐧𝐬𝐩𝐚𝐫𝐞𝐧𝐜𝐞 𝐝𝐞𝐬 𝐛é𝐧é𝐟𝐢𝐜𝐢𝐚𝐢𝐫𝐞𝐬 𝐞𝐟𝐟𝐞𝐜𝐭𝐢𝐟𝐬 𝐩𝐨𝐮𝐫 𝐮𝐧𝐞 𝐦𝐞𝐢𝐥𝐥𝐞𝐮𝐫𝐞 𝐠𝐨𝐮𝐯𝐞𝐫𝐧𝐚𝐧𝐜𝐞 𝐝𝐮 𝐬𝐞𝐜𝐭𝐞𝐮𝐫 𝐞𝐱𝐭𝐫𝐚𝐜𝐭𝐢𝐟 à 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐜𝐚𝐫 !





