Tatitra ITIE 2024-2025 : Tonga amin’ny fankatoavana farany   —   Rapport ITIE 2024-2025 : cap sur la validation finale

Le processus de finalisation du Rapport ITIE Madagascar 🇲🇬 franchit une étape décisive.

Réuni le vendredi 13 novembre 2026, le Comité National a examiné et validé le projet de rapport, fruit d’un travail collectif portant sur les données financières et contextuelles, conformément à la Norme ITIE, ainsi que sur les recommandations du Secrétariat international formulées lors de sa mission en septembre dernier.

Cette avancée traduit l’engagement conjoint de l’État, des entreprises extractives et de la Société civile en faveur d’une meilleure transparence et d’une gestion responsable des ressources naturelles.

Une information transparente, accessible et au service de tous !

Miroso amin’ny dingana farany ny famitana ny Tatitra ITIE Madagascar 2024-2025.

Nivory ny Komity Nasionaly ITIE Madagasikara, ny zoma 13 novambra 2026, ka nandinika sy nankato ny volavolan-tatitra farany. Izany dia vokatry ny fiarahan’ny rehetra miasa ka ahitana ny vaovao momba ny angon-drakitra ara-bola sy ny zava-misy eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, araka ny fenitra ITIE. Noraisina ihany koa ireo soso-kevitra nomen’ny Sekretera Iraisam-pirenena ITIE nandritra ny fitsidihany teto Madagasikara tamin’ny volana septambra lasa teo.

Mampiseho ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana, ny orinasa mpitrandraka ary ny fiarahamonim-pirenena izany, mba hampitomboana ny mangarahara sy hanatsarana ny fitantanana ny harena voajanahary.

Vaovao mangarahara sy mazava, mora azo sady tombontsoa ho an’ny rehetra !