Tatitra momba ny tamberim-bidy azo avy amin’ny harena an-kibon’ny tany avy amin’ny tetik’asa Ambatovy – Rapport sur les ristournes du projet Ambatovy

MG Anisan’ny laharam-pahamehan’ny Governemanta Fanarenana ny ady amin’ny kolikoly sy ny fametrahana fomba fitantanana mangarahara eo anivon’ny fitondrana sy ny sampan-draharaham-panjakana.

Ao anatin’izany politika momba ny mangarahara izany dia aseho eto ny vola azo avy amin’ny tamberim-bidy naloan’ny Tetikasa Ambatovy, nanomboka tamin’ny Septambra 2020 ka hatramin’ny Desambra 2025.

Aseho ihany koa ny fizarana ireo tamberim-bidy  ireo ho an’ireo kaominina voakasika, nandritra ny vanim-potoana Desambra 2025 ka hatramin’ny Jona 2026.

👉 Zava-dehibe tokony ho fantatra :

Ny tetibola dia zaraina ka 30 % natokana ho an’ny fandaniana amin’ny fampandehanana ny asa, ary 70 % kosa ho an’ny fampiasam-bola.

Izany dia natao mba hampiasana ny ankamaroan’ny vola amin’ny fananganana fotodrafitrasa sy fanatanterahana tetikasa tena ilain’ny vahoaka.

Ny Tahirim-bolam-panjakana , miaraka amin’ny Prefektiora sy ny Distrika, no miandraikitra ny fanaraha-maso mivantana ny fomba ampiasana ireo vola ireo.

Ho an’ny tetibola natokana ho an’ny fampiasam-bola, dia misy Vaomiera iarahan’ny antoko efatra efa natsangana hanara-maso ny fampiasana azy.

Ity Vaomiera ity dia ahitana :

  • ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany ;
  • ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF) ;
  • ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fanapariaham-pahefana (MID) ;
  • ary ireo Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana (CTD).

FR Le Gouvernement de la Refondation a fait de la lutte contre la corruption et de la mise en place d’une gestion transparente des piliers majeurs de l’administration publique.

Dans le cadre de cette politique de transparence, sont présentés : les recettes issues des ristournes du Projet Ambatovy pour la période allant de septembre 2020 à décembre 2025 ; ainsi que la répartition de ces ristournes entre les communes concernées pour la période de décembre 2025 à juin 2026.

À retenir :
Le budget est réparti de manière à allouer 30 % aux dépenses de fonctionnement et 70 % aux dépenses d’investissement, afin que les fonds servent principalement à la réalisation d’infrastructures et de projets concrets.
Le Trésor public ainsi que les préfectures et les districts assure un contrôle direct de l’utilisation de ces fonds.
En ce qui concerne le budget d’investissement, son utilisation est supervisée par une Commission quadripartite déjà mise en place, composée du Ministère des Mines, du Ministère de l’Économie et des Finances (MEF), du Ministère de l’Intérieur et de la Décentralisation (MID) et des Collectivités Territoriales Décentralisées (CTD).