Notanterahina ny alarobia 11 novambra 2026, tao amin’ny Hôtel Panorama, Antananarivo, ny fiofanana ho an’ny mpanao gazety, mba hahafantaran’izy ireo bebe kokoa ny lalàna, ny andraikitry ny sampan-draharaha ary ny fomba fitantanana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany.
Fiofanana nahaliana sy nahitana fifanakalozan-kevitra maro izy ity. Nisy ny fanazavana momba ireo lohahevitra samihafa, ary afaka nametraka fanontaniana sy nahazo valiny ireo mpandray anjara.
Ireto ny lohahevitra noresahina :
Ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ;
Ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny mponina manodidina ny toerana fitrandrahana ;
Ny hetra aloa amin’ny fitrandrahana sy ny fitantanana ny vola miditra amin’ny Fanjakana ;


Ny dingana arahina rehefa manondrana harena an-kibon’ny tany any ivelany ;

Ny fanaraha-maso ny lalan’ny volamena sy ny fomba fivarotana azy.

Nisy ihany koa ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ireo solontenan’ny sampan-draharaham-panjakana sy ireo rafitra misahana ny sehatra fitrandrahana. Tamin’izany no nahafahan’ny mpanao gazety nametraka fanontaniana sy nahazo fanazavana momba ny andraikitry ny tsirairay sy ny fomba fitantanana ity sehatra ity.

Ny tanjona dia ny hampitombo ny fahalalan’ny mpanao gazety, mba hahafahany mahatakatra tsara ny zava-misy, mandinika izany ary mampita vaovao marina sy mora azon’ny rehetra momba ny fitrandrahana eto Madagasikara.
Rehefa mahazo tsara ny vaovao ny mpanao gazety, dia afaka mampita izany amin’ny fomba mazava kokoa amin’ny vahoaka !

La formation destinée aux journalistes sur les textes, les institutions et les mécanismes de gouvernance du secteur extractif s’est tenue le mercredi 11 novembre 2026 à l’Hôtel Panorama, à Antananarivo.

Organisée autour de thématiques essentielles, cette rencontre a été riche en présentations techniques, en échanges et en questions-réponses.
Au programme :
Le cadre juridique et réglementaire du secteur minier ;

Les règles environnementales et sociales des projets extractifs ;

La fiscalité minière et la gestion des recettes publiques ;


Les procédures au niveau du Guichet Unique d’Exportation ;
La traçabilité et la commercialisation de l’or.
Un panel institutionnel réunissant les représentants des administrations et organismes spécialisés concernés a également permis aux journalistes d’obtenir des éclaircissements sur les rôles de chaque institution et les mécanismes de gouvernance du secteur.

L’objectif : renforcer les connaissances des professionnels des médias afin qu’ils puissent mieux comprendre, analyser et informer le public sur les enjeux du secteur extractif.

Parce qu’une information bien comprise est une information mieux partagée !






